@teamravalo08: " Mitady hipetraka ao anaty Rova ny Filoha Marc Ravalomanana. " hoy ny tsaho tamin'izany . Rehefa tsy norarahian'ny fitondrana roa nifandimby nandritra ny 10 taona angarangidiny ny Rovan'Antananarivo, izay may ny alin'ny 06 Novambra 1995 ( 31 taona katroka androany) ...dia ny Filoha Marc Ravalomanana no nanana finiavana nanarina izany hamerina amin'ny endriny teo aloha . Ny malagasy rehetra no noentanina nandray anjara tamin'ny fanarenana ary navitrika tamin'ny famelomana ny ambom-po maha malagasy indray.🇲🇬 80 % ny asa goavana no vita ny taona 2009 , fotoana nihatoan'ny asa noho ny fanonganam-panjakana. Ampitao amin'ny taranaka fa ny tsaho sy ny filazana zavatra tsy mari-pototra dia manimba ny firenena ! #fyp #madagascar #Ravalomanana